" Taona Mifanesy "
Iny volana iny, no mibanjina ny lasa ! Fa iny kintana iny kosa, no mandravaka ny fitia,... Raha ny masoandro kosa, mitantana 'Zany dia. Ny Zavatra _ boary kosa, mitsinjara tsy mba ho asa ,... Toa vetivety monja, dia dify ny fotoana,... Toa vetivety monja, reo natao toa zava _poana ! Indrisy miankina amin' ny fotoana,... Ireo natao nandritra ireo taona ! Asa re raha mba fantatrao, fa ny fo anie ka tia ! Angamba ny vola sy ny asa no mibahana aminao. Miandry foana, miandry sao ho valinao ! ' Lay fitia, tsy mba kilalao Sorajavona Antso Tsotra
Ad
Poetry Books 50% Off
Bestselling collections from top poets
Shop Now →
